-
FREDY JAOFERA
Fredy JAOFERA
Poète
Co-Fondateur et 1er Vice-Président de l'Union des Poètes et Ecrivains Malgaches section France
Vice-Président de la Maison Culturelle Malgache de France
Membre de l'Association des Poètes des Afriques et d'Ailleurs
Chevalier de l'Ordre des Arts, des Lettres et de la Culture par la République de Madagascar
NY SAMBO
Impiry ny sambo no nisamboaravoara,
notsofin'ny rivotra mafy dia mafy ;
kanefa tsy taitra raha efa anjara
fa mainka mizotra, na be fafifafy
Impiry ny sambo no nampitebiteby,
natopan'ny alona tsy hita popoka ;
kanefa ny tokiko tsy nety voareby
fa mainka niampy sy mba nitsotsoka.
Impiry ny sambo no toa nampangovitra,
nokatsahan'ny trozona hilentika foana ;
kanefa eny ihany, na ny lay aza rovitra
manao izay hahatody hanova ny taona.
Impiry ny sambo no toa nampatahotra,
mila nivadika sy tsy nety hamikirana ;
nefa aho tsy lavo, na hoe vahobahotra
fa mainka mijoro sy mba miramirana.
Fredy JAOFERAITY NOSINTSIKA ITY
Ity Nosintsika ity,
tany tsy zoviana ;
fa maro mpankafy,
na toto-pahoriana !
Ity Nosintsika ity,
be harena fatratra,
na indro fa mandia
krizy be miraratra.
Ity Nosintsika ity,
nilamina hatrizay
ka ny mifankatia
no afa-mampiray.
Ity Nosintsika ity,
masina aok’izany,
ka isaory fa tabiha
misy soa tsy lany.
Ity Nosintsika ity,
ho an’ny Malagasy
ka aoka ho sanatria
ny hanapoaka basy.
Fredy JAOFERARAHA TSY NISY
Raha tsy nisy moa ianao,
tsy nitsiky itony tavako
fa rediredy izay nihavao
sy tsy nisy ny fitiavako.
Raha tsy nisy moa ianao,
tsy nihiratra ny androko,
ny hakiviana ho tsy tsaho
sy hafa ny masoandroko.
Raha tsy nisy moa ianao,
tsy tonga izay fiadanana
fa ho hetaheta mora lao
ny tigetra efa notanana !
Raha tsy nisy moa ianao,
ny fo ravo ho nofy ihany,
ny ahiahy tsy ho nandao,
nisy foana ireo tomany !
Fredy JAOFERA
LEHIBE NY FIRENENA
Vonona aho ny hijoro
ra’ izay no hampikoro
ny ratsy izay tsy ekena
fa lehibe ny Firenena !
Vonona aho ny hijaly
raha izay no hampifaly
an’ireo mila famonjena
fa lehibe ny Firenena !
Vonona aho ny hitolona
ra’ izay no ilain’ny olona
miandrandra fandresena
fa lehibe ny Firenena !
Vonona aho ny hiaritra
raha izay no tsikaritra
hahasoa tsy hay fefena
fa lehibe ny Firenena !
Vonona aho ny hilahatra
raha hahatsara zavatra
an’ireo ory mahonena
fa lehibe ny Firenena !
Fredy JAOFERATSY FANTATRO AVY AKORY…
Tsy fantatro avy akory,
na izay anaranao,
fa nanaitra ahy natory
ny hira izay natao.
Tsy fantatro avy akory,
na izay adiresinao,
fa nisy onja toa tsy ory
no tsapa tsotr’izao.
Tsy fantatro avy akory,
na izay sitrakao,
fa nanjary nampamory
ny nofy sy lalao.
Tsy fantatro avy akory,
na izay hoe ianao
fa hafaliana no mitory
ary iny re nandao.
Fredy JAOFERAALEO
Aleo izy handeha raha izay no sitra-pony,
ra’izay no faniriany sy fantany hoe tsara ;
aleo izy handeha tsy ho hitako eto intsony
fa mbola ho tadidiny rehefa ratsy anjara !
Aleo izy hisintaka raha izay no hasambarany,
raha izay no hafaliany hitondra zava-tsoa ;
aleo izy hisintaka fa apetrako ho tantarany
ny tena hoe : Fitiavana namelona ahy tokoa.
Aleo izy haneso raha izay no tiany hatrany,
raha izay no mba fitaratra ny vita sy natao ;
aleo izy haneso fa mbola ho avy ireo tomany
hahatsiarovany ahy rehefa ory tahaka izao.
Aleo izy hiala raha izay no ao an-tsainy,
raha izay no hetaheta mibaiko sy mitondra ;
aleo izy hiala fa mba raketiko hohirainy
rehefa rahatrizay ilay foko diamondra...
Fredy JAOFERAHAINY ERY !.....
Hainy ery no miova ho tsara
rehefa misy ilany anao,
ka aza vohaina fa efa tara
ny fotoana tahaka izao.
Hainy ery maneho fitiavana
rehefa misy izay iriny
fa mpaneso be tsy nihavana
andro maro sy fahiny !
Hainy ery no miantso lava
rehefa te hifankahita,
fa maramara sy mahay vava
no tsy hoe nahatafita.
Hainy ery no mitondra soa
rehefa te hamalifaly
fa olon-doza tsy hay tokoa
ka injao mijalijaly.
Fredy JAOFERATSY HADINOKO
Tsy hadinoko ny reniko
isan’andro vaky izao,
na vitsy ‘tony teniko
hamoahako azy anao.
Tsy hadinoko ny raiko,
na ahoana na ahoana ;
fa mbola ao an-tsaiko
sy mamiko eto foana !
Tsy hadinoko ny taniko,
na mahazo sedra maro ;
mipoipoitra ny tomaniko
rehefa iny fa mahatsiaro.
Tsy hadinoko ny Lasako,
na nofy tsy hita intsony ;
any ihany re fa tsy asako
ny hamerina azy hamony.
Fredy JAOFERA
-
Commentaires